Nitrangana haintrano nampivarahontsana tao amin’ny kaominina ambanivohitr’ Ivandrika, distrikan’i Farafangana, tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Trano 605 tafo no hotohoton’ny afo tanteraka tsy nisy noraisina. Olona 3 025 no traboina tsy manan-kialofana.
Hatramin’ireo taratasy saro-pady momba ny fiainana sy ny fitaovan’ny mpianatra dia tsy nisy azo navotana, vokatry ny fiitaran’ny afo haingana noho ny andro maina sy ny tanàna mifanety kely.
Nanao antso vonjy ny tomponandraikitra tany an-toerana ka avy hatrany dia nidina ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, nitondra tohana vonjimaika ho fanarenana ny takaitra nateraky ny loza.
Nitondra fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireo tomponandraiki-panjakana tonga any an-toerana. Nahitana vary, fitaovan-dakozia, kojakojam-pianarana, fanafody, fanitso…
Sady nitondra fankaherezana ho an’ny mponina ny minisitra no nitondra fanampiana hahafahana miarina ao anatin’ny fahavoazana. Nanentana ihany koa amin’ny tokony hitandremana amin’ny afo amin’izao vanim-potoan’ny maintany izao satria tena miitatra vetivety ny fahamaizana raha misy afo tsy voatandrina ary miteraka fahavoazana lalina toy izao mitranga izao.
Tatiana A