Fihaonamben’ny CEO Summit : hametraka paikadim-piaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana

Faritana mandritra ny fihaonamben’ny CEO Summit ireo vina ho an’ny fampandrosoana toekarena lovainjafy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Hojerena manokana ny faritra malalaka ho an’ny fifanakalozana.

Hifandinika sy hifanakalo hevitra ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny tontolon’ny fandraharahana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ireo mpandraharaha samihafa sy mpanapa-kevitra ary tompona orinasa mandritra ny roa andro hanatanterahina ny fihaonamben’ ny CEO Summit, ny 05 sy 06 desambra. Hojerena manokana ireo vina sy fanamby ara-toekarena hananganana paikadim-piaraha-miasa hampiroboroboana ny fampandrosoana lovain-jafy aty amin’ny faritra. Vita izay, hisy ny torolalana hipetraka hanatanterahana fifanaraham-piaraha-miasa sy imasoana mba hanatrarana ny vina iraisana. «Mila ampahafantarina an’ireo mpampiasa vola ny lalàna sy arofanina efa napetraky ny fanjakana mba hanampiana ireo mpampiasa vola hanatratra ny tanjona apetrany», hoy ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny indos­tria sy ny varotra, Ra­lam­bofiringa David, omaly, tetsy Alarobia, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika. Ham­pirisihina bebe kokoa ny fampiasam-bola eto amintsika hahazoantsika tombontsoa amin’ny fisokafana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Fanamby
Vina apetraky ny Sendi­kan’ny indostria eto Madaga­si­kara (SIM) ny hametrahana ny tsena iraisana aty amin’ny ranomasimbe Indianina. «Atom­boka amin’ny fametrahana ny faritra malalaka ho an’ny fifanakalozana (zone de libre échange) ny tetikasa ka atao hametrahana ny indostra iraisan’ny faritra mba hamatsiana ny manodidin», hoy ny filohan’ny Sim, Rasamima­nana Tiana. Manana tany midadasika azo hambolena sy azo trandrahina isika saingy maro ireo sakana. Hitondrana vahaolana amin’izany ny fihaonambe.

Henintsoa Hani

Partager sur: