Firenena maro maneran-tany no miaro fatratra ny tantarany, ny fombany sy izay momba azy rehetra. Tsy mba tahaka izany ny Malagasy. Maro tsy tambo isaina ny tantarany no diso. Tsy vitsy ireo fombany no novaina. Atombaka eo imasony ny karazana hatsanga tsy aman’orana fa ataony telimoka…
Miainga any amin’ny ankohonana, miafara any amin’ny firenena, voky lainga ny Malagasy. Ankoatra ny tsy fahalalana. Manomboka mitombo isa, ankehitriny, ireo misandoka tanin-drazana. Mangalatra na mindrana fomba amam-panao. Mitantara valamaty amin’ny taranany ka milaza fa Ranona no razambentsika. Tahaka izao ny fombantsika, sns. Saingy, diso daholo ireny… Voky lainga ny taranaka Malagasy.
Ambonin’ireo, marobe ihany koa ny tantara nodisoin’ny vahiny. Tao ny nentiny niaro ny tombontsoany. Nisy ny nataony hampiadiana sy hampifandrafiana ny samy Malagasy. Nanana fahafahana hamoaka boky rahateo izy ireo ka tafapaka vetivety tany amin’ny taranaka ny akon’ny lainga nafafin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona.
Tsy tafajoro amin’ny maha izy azy
Ankehitriny, nanjary sarotra ny mitady ny fototra ho an’ny Malagasy tsirairay. Manomboka mihamaro, ohatra, ny tsy mahafantatra intsony ny tanindrazany sy ny razana nipoirany. Na, mahalala ihany fa tsy sahy miteny na manonona azy ireny akory. Hakanosana sa tahotra vokatry ny tsy fahalalana tokoa ? Nanjary tsy sahy mijoro amin’ny maha izy azy ny taranaka, satria, tsy mahalala ny momba azy. Avy aiza ianareo ? Inona ny fadinareo ? Inona ny fombanareo ?… Tsy misy na iray aza ahazoana valiny marina. Voky lainga ny taranaka !
Rehefa ny tantara no diso na tsy hay, mivaona tanteraka ny atao rehetra. Antony iray mahatonga ny fiainam-piarahamonina malagasy tsy mandeha amin’ny laonina. Firenena mitana ny rambony.
Ny taranaka no mila mitrandraka
Raha sanatria ka tsy nahatafita ny momba azy ireo loharano nipoirana. Ny taranaka no mila mitrandraka. Raisina ho fady ny mandiso tantara. Fady ny misandoka tantara. Ezahina haverina sy hajaina ny napetraky ny teo aloha. Samy manana ny razany, noho izany, samy manana ny maha izy azy. Harena ny fahasamihafana!
Ireo heverina ho raiamandreny miaina amin’izao kosa no mila manao ezaka hampahafantatra ny taranaka any aoriana ny momba azy mba tsy ho very na hiova ka hanan-taranaka mpisandoka izy ireo any aoriana!
HaRy Razafindrakoto