Hanatanteraka fampirantiana eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny 23 novambra 2024, i Benjamin Loyauté. “Four seasons” no anarana nampitondraina ity fampirantiana ity. Mandritra izany no hampahafantaran’i Benjamin Loyauté ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny zavakanto. Hanehoany ihany koa ireo zavakanto novokariny nandritra ny fandalinana nataony teto Madagasikara sy ny fiaraha-miasany tamin’ny tetikasa “Ndao hanavao” sy ny “Rubis Mécénat”.
Teratany Frantsay saingy mitety firenena maro noho ny zavakanto i Benjamin Loyauté. Bruxelles, Paris, Cusco ary Antananarivo no tanàna hanatanterahany ny tetikasa ara-javakanto. Fampirantiana maro maneran-tany no efa nandraisany anjara. Anisan’izany ny MUDAM tao Luxembourg, ny Power Station of Art tao Shanghai, ny MoMA tao New York, ny tao amin’ny Musée national de l’Immigration tao Paris ary ny King Abdulaziz Center for World Culture tao Arabie Saoudite. Tombony lehibe ho an’ny Malagasy mpahay kanto, araka izany, izao noho ny fahaiza-manao sy ny traikefan’i Benjamin Loyauté.
Lin