Maevatanana : tratra ireo jiolahy namono olona

Naiditra am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Maevatanàna, ny 12 novambra 2024 teo, ireo jiolahy efatra voarohirohy ho tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao an-toerana. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maevatanàna ny alin’ny sabotsy 9 novambra 2024 noho ny raharaha famonoana olona niniana natao ry zalahy ireto. Nahitana fatin’olona iray teo akaikin’ny andrimby iray ao an-tanànan’Antaninandro, tao anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Maevatanàna, tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 11 ora maraina. Nidina teny an-toerana ny polisy niaraka tamin’ ny dokotera nanao fizahana ny razana. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny polisy sy ny dokotera no nahitana fa nisy ratra lalina miisa sivy vokatry ny tsindrona zava-maranitra ny vatany. Nahitana lavaka miendrika boribory teo amin’ny ilan-kibony. Nanao fikarohana ny polisy ka niafara tamin’ny fahatrarana azy efa-dahy voarohirohy ireto. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy tao anatin’ny famotorana nataon’ny polisy.

J.C

Partager sur: