Ho fampiroboroboana ny teny malagasy. Mikarakaraka fifaninanam-pirenena momba ny literatiora ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. “Mitohy ary tsy hifarana ny fandraisana ny sanganasan’ireo mandray anjara raha tsy ny voalohan’ny volana janoary 2025”, hoy ny tomponandraikitra.
Sokajy telo no hanatanterahina ny fifaninanana : tantara foronina, tantara fandefa amin’ny radio ary amboaran-tononkalo. Fandrindrana fiainam-pianakaviana sy ady amin’ny fanolanana ny lohahevitra roa iompanan’ny soratra mifaninanana. Eny anivon’ ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina manerana ny Nosy sy ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, varavarana A 102, no hanaterana ny antontan-taratasy. Azo atao koa ny mitsidika ny pejy fesibokin’ny minisitera (MSK) raha raha hijery ny andinindinin’ny fitsipika mifehy ny fifaninanana sy ny taratasy fisoratana anarana.
Hisy ny loka ho an’ny mpandresy isaky ny sokajy. Fanontana boky 500 isa (tantara foronina sy ny amboaran-tononkalo). Lelavola 1 000 000 Ar ho an’ny sokajy tantara alefa amin’ny radio.
HaRy Razafindrakoto