Nanohitra zandary : jiolahy roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny tifitry ny mpitandro filaminana ny roa lahy amin’ ireo mpangalatra omby tao amin’ny fokontany Antelopolo, kaominina Anahidrano, ny 13 novambra teo. Nandroba tao amin’io fokontany io, nentin’ireo olon-dratsy ny omby miisa dimy. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona ary niambina ny kizo ahina handosiran’ireo mpandroba ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra Anahidrano. Tra-tehaka ny roa lahy tamin’ireo mpampihorohoro vahoaka. Nentin’ny fokonolona hanoro ny toerana misy ny namany ireo voasambotra. Nanararaotra nanohitra ny vatan-dehilahy nitondra azy anefa ireo mpangalatra omby. Nidaroka ny iray tamin’ireo dahalo. Niara-nandositra izy roa lahy. Nampitandrina am-bava mba hijanonan’ireo mpangalatra ireo, araka izany, ny zandary. Nanao tongotra an-katoka, voatifitra avy aoriana ireo dahalo ka niara-maty. Manentana ny mponina ao an-toerana ho sahy hitoroka ireo olon-dratsy eny anivon’ny kaominina misy azy ireo ao amin’ny faritra Sofia, ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: