Oniversiten’Antananarivo: 60 taona ny sampam-piofanana momba ny toekarena

Namoaka manampahaizana maro sy tomponandraikitra ambony misahana ny raharaham-panjakana ny sampam-piofanana tao anatin’ny taona maro momba ny toekarena ny eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, izay feno 60 taona ankehitriny.

Manamarika ny faha-60 taona niorenany ny sampam-pianarana momba ny toekarena ao amin’ ny fakiolten’ny toekarena, fi­tan­tanana ary ny sosiolojia eny amin’ny Oniversiten’Anta­nanarivo, amin’ity taona ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo tomponandraikitry ny sampam-pianarana, omaly, teny Ankatso. Hison­gadina amin’ny hetsika fankalazana ny fandraiketana anaty boky ny tantaran’ny sampam-piofanana toekarena. Na­nom­boka ny taona 1964 ny fampianarana ny toekarena teto Madagasikara. « Hosori­tana ao anatiny avokoa ny fivoaran’ny fampianarana toekarena izay nifanindran-dalana tamin’ny toe-draharaha politikan’ny firenena, izay mitohy amin’ny siansan’ny toekarena moderina. Ho hita taratra ao koa ireo mpampianatra sy ny mpianatra maro nandalo tao amin’ny sampam-pampianarana », hoy ny mpampianatra ao amin’ny sampam-piofanana, Ramiarison Herinjatovo Aimé.
Hosantarina ny 23 novambra ho avy izao ny fanamarihana ny hetsika amin’ny fa­moahana ny mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Master, andiany fahatelo « Iray Lia ».
3 000 amin’izao fotoana izao ny isan’ny mpianatra manaraka fampianarana eny, 25 ny mpampianatra raikitra ary 50 ireo mpampianatra an-tselika mifarimbona amin’ny asa fampianarana sy fikarohana. Hoezahina ny hananganana tambajotra hifaneraseran’ny mpianatra tranainy sy ny ankehitriny izay miparitaka maneran-tany. Maro ny manam-pahaizana momba ny toekarena nivoaka teny amin’ ny sampam-piofanana nefa ny vokatra mivaingana tsy nifanaraka amin’ny isan’ny teknisianina nahavita fianarana. Nanamarika ny tomponandraikitra fa fampianarana no tontosaina ao amin’ny sampam-piofanana fa ny fampiroboroboana ny toekarena dia anjara andraikitry ny tsirairay ary miankina amin’ny zavatra maro eto an-toerana sy maneran-tany, araka ny fanazavan’ny sojaben’ny fakiolte, ny profesora Andriamahefazafy Fanomezantsoa.

Vonjy

Partager sur: