Hitondra vokatsoa amin’ny lafiny maro eo amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy ny fahavitan’ny lalambe migodana. Hahazo tombony voalohany amin’izany ny lafiny toekarena noho ny fahamoran’ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana.
Tontosa, omaly, ny fitsidihana ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Teny amin’ ny fiandohan’ny tetikasa Ambodifasina, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, no nanatanterahin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, izany. Nanotrona azy tamin’izany ireo manam-pahefana sy tomponandraikitra samihafa eto amin’ny firenena. Anisan’ izany ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard, ny governoran’Analamanga. “Izay toky nomena dia tsy maintsy tanterahina. Izay asa atomboka dia tsy maintsy vita”, hoy ny Filoham-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Nanome toky, araka izany, ny minisitry ny Asa vaventy fa ho tratra ny tanjona napetraky ny Filoha, dia ny famitana ny 80 km voalohany mialoha ny faran’ny taona 2025. Mirefy 260 km ity lalambe migodana Antananarivo – Toamasina ity, ary miampy ilay 18 km miainga eo Ambodifasina hatrany Ambobolo Talata Volonondry. Hitondra vokatsoa ho an’ny tontolo iainana sy ny toekarena izy ity. Satria, hihena ny fandaniana solika ho an’ireo fiara, indrindra ireo vaventy mpitatitra entana. Hihena, araka izany, ny fandaniana, toy izany koa ny fahasimban’ny fiara fa indrindra ny fotoana ho lany eny an-dalana.
Ny orinasa egyptiana Samcrete no manao ny asa fanamboarana ny lalambe migodana ity. Izy izay anisan’ny sangany amin’ny fotodrafitra lehibe eto amin’ny kaontinanta afrikana. Anisan’ ny nazavaina nandritra ity fijerena asa ity ihany ny fampiasana fitaovana raitra hanafaiganana ny asa. Notsindrin’ny minisitry ny Asa vaventy ihany koa fa eken’ny mponina izay andalovan’ny lalambe migodana ny fanaovana izany. Efa nisy ihany koa ny fakan-kevitra nialoha ny fanombohan’ny asa.
Lin