Raraka! Tsy tafita hiatrika ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc, intsony ny Barea de Madagascar, rehefa resin’ny Aigle de Carthage Tunisie, tamin’ny isa 3 no ho 2, omaly, tao Afrika Atsimo. Mitana ny laharana farany hatrany isika, ary manana isa 2, ao amin’ity vondrona “A” hiadiana ny tapakila hiatrehana ny Can ity. Vokatr’izay, nametra-pialana ny mpanazatra ny Barea, ny coach Rôrô, tsy hitondra nyekipam-pirenena intsony fa hifantoka amin’ny Chan, araka nyvaovao voaray.
Raha hiverenana ny fihaonana, ry zareo Tonizianina no nahita isa iray voalohany. Enina minitra nanombohan’ny lalao, nahakobana ny harato i Rafia, mpilalao Tunizianina. Niezaka nanenjika ny isa ihany anefa ny Barea. Teo amin’ny faha-20 minitra, namono tena ilay mpiandry harato tonizianina ka sahala 1 no ho 1 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Ny minitra fah-39, nanampy ny isa ho azy ny voromaherin’i Tunisie, rehefa namono baolina i Ltaief. Taorian’io, nahasahala ny baolina teny amin’ny solaitrabe i Ibrahim Amada, kapitenin’ny Barea, ny minitra faha-48. Ady sahala 2 no ho 2 ny roa tonta teo amin’ny fialantsasatra. Nandritra ny fidirana faharoa, lavo tany amin’ny ora farany toy ny mahazatra ny Barea de Madagascar. Aorian’ ity fihaonana ity, hifanandrina amin’i Comores i Madagasikara, ny 18 novambra ho avy io, any Maroc.
Mampametra-panontaniana ny mpankafy, hoe iza izany no hitondra ny Barea amin’ny ambin-dalao mbola hatrehin’ ny ekipam-pirenena?
Fitia Randria