Araka ny vaovao niely manerana ny tambajotran-tserasera, omaly, fantatra fa efa mpilalao ofisialin’ ny Paris FC France, diviziona faharoa, i El Hadari, lohalaharan’ny Barea de Madagascar, amin’izao fotoana izao. Tsiahivina moa fa mpilalao niainga tao amin’ny Ajesaia izy ary ny klioban’ny St Michel United Seychelles no nilalaovany farany.
Efa miomana fatratra amin’ilay fifaninanana “Tournoi de repêchage”, izay hatao any Maroc, ny XV Makis de Madagascar, lehilahy, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray ny 18 novambra ho avy izao, izy 31 mirahalahy no hanainga eto Madagasikara, hihazo any Maroc.
Hitohy ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Annexe Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja Rugby, sokajy vehivavy. Miisa telo ny fifanandrinana handeha eny an-toerana. Anisan’ireo lalao mendrika toy ny famaranana ny an’ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTM Manjakaray.
Hotanterahina ny 4 hatramin’ny 13 desambra ho avy izao, any Maputo Mozambika, ny fifaninanana ho an’ny faritra atsimon’i Afrika Cosafa U17, sokajy vehivavy. Anisan’ireo firenena handray anjara amin’izany i Madagasikara, ary hisy ny fampivondronana ireo mpilalao voafantina manomboka anio.