Tontosa ny alarobia teo, teny Antaninarenina, ny fifanoavan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Agence française de développement (AFD) ao anatin’ny tetikasa «Itovia». Tanjona ny hampirisihina ny fandraharahan’ny vehivavy sy fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitentina 1,52 tapitrisa euros ny famatsiam-bola ampiasan’ny tetikasa hanohanana ireo mpandraharaha sy hanovana ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara. Hojerena manokana ireo orinasa madinika sy salantsalany mba hahafahany misitraka mivantana ireo tombontsoa samihafa sy ireo tohana hampandrosoana ny orinasa. Kendrena ny hampiroborobo ireo orinasa madinika sy salantsalany tantanin’ny vehivavy. Hiasa amin’ireo faritra miisa telo eto Madagasikara toa an’Analamanga, Vakinankaratra ary Matsiara ambony ny tetikasa noho izy ireo voasokajy fa faritra azo trandrahina ny hampivelarana ny sehatry ny toekarena. Araka izany, vovonana iray hampivondronana an’ireo mpandraharaha vehivavy sy hahafahany mampandroso ny fandraharahany ny tetikasa Itovia.
Henintsoa H.