Mihatanora ireo olona manana toe-batana diabetika eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. “Manomboka eo amin’ny faha-40 taona ny olona iray vao nisy diabeta sokajy faharoa taloha, efa voa avokoa ny 40% ny olona latsaky ny 40 taona amin’izao fotoana izao”, hoy ny tale eo anivon’ny Amadia, Dr Ramamonjisoa Haja, tetsy Faravohitra, afakomaly. “Antony mampihazakazaka ny fitomboan’ny antontanisa ny fiovaovan’ny fomba fiaina sy ny fisakafoana, ny rarintsaina mahazo ny olona ary ny hamaroan’ny olona mitondra ny toe-batana diabeta”, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, efa misy koa ireo ankizy sy tanora misy ny diabeta sokajy voalohany. Fiakaran’ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny vatan’ny olona iray ny diabeta. Mitarika fanariana ampahana siramamy betsaka ao anatin’ny pipy ka mahatonga azy mivalandrano matetika izany.
4 tapitrisa isan-taona ny fitsaboana
Manodidina ny 4 tapitrisa Ariary isan-taona ny saran’ny fitsaboana ny diabetika iray eto amin’ny Nosy. “Mavesatra ny andraikitra sahanin’ny fikambanana amin’ny fiantohana ireo mpikambana diabetika”, hoy hatrany izy. 51 000 ny mpikambana eo amin’ity fikambanana ity hatramin’izao. Latsaky ny 30 taona avokoa ny 402 amin’izy ireo. Tsiahivina fa nankalazaina ny 14 novambra teo ny Andro iraisam-pirenena entina miady amin’ny diabeta. “Ny diabeta sy ny filaminan-tsaina na fitonian-tsaina”, io no lohahevitra tamin’ity. Nomarihina tamin’ny alalan’ny fitiliana maimaimpoana ny hetsika ho an’ity fikambanana ity.
Mino