Andranobolahy Toamasina : mpamaky trano voasambotra

Voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambo­dibonara-Andranobolahy, kaominina Toamasina, ny lehilahy ikoizana amin’ny vaky trano, ny alin’ny alarobia 13 novambra teo. Nanararaotra ny andro alina, nanao ny asa ratsy toy ny fanaony io tovolahy io. Tsikaritry ny manodidina anefa ny fihe­tsika hafahafa nataon’ilay olon-dratsy. Nanamafy ny ahiahin’ny fokonolona rahateo ny fahitana kojakoja teny aminy. Efa nalainy ny takelaka mamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro sy ny ganagana efa vita vono. Nosamborin’ny mponina avy hatrany izy rehefa nikasa handositra. Notanan’ny fokonolona ary efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Leo ny fandrobana fanaon’io voasambotra io ireo mponina amin’ny manodidina.

Tsiferana R.

Partager sur: