Mpanazatra 23 mianadahy mianaka, avy amin’ny ligin’Analamanga no nahavita fiofanana “kids athletics”, taranja fototra atletisma. Tetikasan’ny Federasiona malagasy (FMA), notanterahina tetsy amin’ny Kianjan’Alarobia, ny zoma 8 sy sabotsy 9 novambra lasa teo. Tsiahivina fa andiany faharoa izy ity. Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona, fa tanjona ny hampiroboroboana ny taranja atletisma, natokana ho an’ireo ankizy 8 ka hatramin’ny 12 taona. Notsiahiviny fa efa misy 300 ny isan’ny mpanabe nahazo fiofanana ka anisan’ireny ireo mpampianatra fanatanjahantena any an-tsekoly. Politikan’ny World Atletics rahateo ny hampidirana ity “kids athletics” ity eny anivon’ny sekoly, ka hivelatra amin’ny fanofanana ireny mpanabe ara-panatanjahantena eny amin’ireo toeram-pampianarana ireny, saingy mbola hiresaka amin’ny minisitera tomponandraikitra. Maro ireo atleta sangany amin’izao fotoana, nivoaka avy amin’ny “kids athletics” ary efa nisy ny lasa tompondaka maneran-tany sy nahazo medaly tamin’ny Lalao Olympika, ka nahatonga ny fitohizan’ny tetikasa World Atletics.
Tompondaka