« Am-pifaliana no ilazana aminareo fa tafajoro soa aman-tsara androany 13 novambra 2024 ny Sampana Havàtsa-Upem Canada », hoy i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy. Araka ny tatitra nataony hatrany, voafidy ho filohan’ity sampana faha-12 eo anivon’ny Havàtsa-Upem ity i Lila Ratsifandrihamanana. I Bary Randresy no sekretera jeneraly. I Haja Raharijaona, mpitam-bola. I Henintsoa Rakotomalala (HR), mpitan-tsoratra ary i Mbola Rahary (Ikalabesorongola) no mpanolotsaina.
Ireo no antsoina hoe mpikambana mpanorina ny Sampana Havàtsa-Upem Canada niaraka tamin’i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny Havàtsa-Upem manontolo, izay nitantana ny fivoriana sy ny fifidianana birao.
Anio no hotokanana amim-pomba manetriketrika ao Montréal – Canada ity sampana tafajoro ara-dalàna ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny tolakandro ny « Valan’ny kolontsaina sy ny kanto 3H ». Antsa tononkalo nosoratan’i Hajaina sy hiran’ny omaly sy kalon’ny fahiny.
HaRy Razafindrakoto