Fotoan-dehibe ho an’ny vakisaova, anio. Hiakatra etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ireo tarika maro mpiangaly izany, mandritra ny tontolo andro. Hetsika famaranana ny andiany fahafito amin’ny «Festisôva », izay karakarain’ny fikambanana Tanora mbola ho beazina, na Tambohobe izany.
Tarika maro avy amin’ireo fokontany eto Antananarivo sy ny manodidina no nantsoina handray anjara, ka hanafana ny sehatra etsy Mahamasina. Anisan’ireny ny Gasy Misova Behoririka, Hazo Midoroboka Ampamarinana, Tara-pahazavana Andraisoro, Fanja Anjanahary Misova, Black Collection Andranomanalina, Fitarikandro Tsiadana, Kintan’ ny Alina Antohomadinika sy ireo nasaina manokana. Ankoatra ny mpisaova, ho avy eo koa ireo poeta avy ao amin’ny Faribolana Sandratra sy ireo mpilalao tantara fihaino. Eo koa ireo rastas mivondrona anatin’ny Gasy Tafaray, sy ny fikambanana Sekoltora, miandraikitra ireo zaza tsy misy mpiahy. Iandraikitra ny fanentanana kosa i Slma Jah, mpanao rap.
Manomboka ny maraina dia efa hifandimby an-tsehatra ireo tarika mpanao sôva sy ireo vahiny nasaina ireo. Hizaran’izy ireo an-tsehatra ireo zava-misy any anaty fiarahamonina any izany. Misy lohahevitra hatrany ny hetsika, ka ny « Ady amin’ny herisetra sy ny fidorohana zava-mahadomelina » no hovoizina amin’ity.
Zo ny Aina