Nisongadina nandritra ny fihaonan’ny masoivohon’i Etazonia misahana ny fanaraha-maso ny ady amin’ny famarinana olombelona, i Cindy Dyer, sy ny solontenan’ny governemanta malagasy fa mbola mitaky ezaka betsaka ny fanasaziana ireo olona mahavanon-doza amin’ity sehatra ity. Anisan’izany ny fanitsiana ny lalàna tamin’ny taona 2014 iadiana amin’ny famarinana olona. Mba hahazoana antoka fa mifandanja amin’ireo sazy amin’ny heloka hafa ny sazy ho an’ny fanararaotana ara-pananahana amin’ny olon-dehibe.
Nodinihina niaraka tamin’ ny minisitra maromaro, sy ny sekretera mpanatanteraky ny birao nasionaly miady amin’ny famarinana olona (BNLTEH) ny momba ireo ezaka rehetra atao hiadiana amin’izany sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ary ny fiaraha-miombon’ antoka.
Mbola nijanona tao amin’ ny lisitra « Tier 2 Watch List », araka ny tatitra momba ny famarinana olona i Madagasikara, tamin’ity 2024 ity. Na izany aza, “nahavelombolo anay ny ezaky ny governemanta taorian’ny fanapahan-kevitra hanome famatsiam-bola feno ny BNLTEH”, hoy i Cindy Dyer.
Nitombo ny famotorana sy ny fanenjehana ary ny famatsiam-bola amin’ny ampahany amin’ny ady amin’ny famarinana olona izay voalohany tao anatin’ny telo taona izay. Teo koa ny ezaka natao hampihenana ny fanararaotana ara-pananahana amin’ny ankizy eo amin’ny sehatry ny fizahantany.
Tatiana A