“FIBA 3×3 AFRICA CUP” : halefan’ny Canal+ manontolo ao amin’ny GS TV

Higadona afaka roa herinandro ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, hatao eto Madagasikara. Nampahafantarin’ny Canal+ Madagascar, omaly, ny fanokafan’izy ireo ny “GS Tv, chaîne 202”, izay handefa manontolo ireo lalao mandritra ity “Fiba 3×3 Africa Cup” ity. Afaka hanaraka mivantana ireo lalao rehetra ny firenena 16 aty Afrika ka anisan’izany i Madagasikara mpampiantrano. Nampahafantarina ihany koa ny endrika fanohanan’ny orinasa Canal+ ny taranja basikety malagasy amin’ny ankapobeny sy ny fiaraha-miasany amin’ny Federasiona malagasin’ny Basikety, izay mbola mitohy mandritra ny “Africa Cup 3×3”, hatao eto Madagasikara. Fifaninanana hotanterahina ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina. Nitarika ity fotoana ity ny Tale jeneralin’ny Canal+, Razafindrakoto Onjatiana, izay notronin’ireo mpiara-miasa aminy. Tonga maro ihany koa ny mpikambana eo anivon’ny FMBB, notarihin’ny filohany, ary indrindra ireo mpilalao nisolotena ny Ankoay izay antony voalohany nikarakarana ny hetsika, omaly.

Mi.Raz

Partager sur: