Finoana Islamo : mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny FSM

Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany teto Madagasikara ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy (FSM) amin’ity taona ity. Homarihina amin’ny hetsika samihafa ny 24 novambra ho avy izao, etsy amin’ny CCI Ivato, izany, raha ny fanambarana nataon’ izy ireo tetsy 67 ha, ny alakamisy teo. Ahitana ny hetsika fifaninanana famakiana korany masina sy fizarana loka sy mari-pankasitrahana ho an’ireo raiamandreny nahavitabe tamin’ny finoana islamo izany. “Entanina ireo mpino silamo rehetra eto amin’ny Nosy ho avy hanatrika izany”, hoy ny filohan’ny FSM, Abousoary Said Arsène, teny an-toerana. Ho avy hanatrika izany koa ireo olon-dehibe rehetra eto amin’ny firenena. Manga­taka ny mpino silamo rehetra ihany koa izy hanao “Doan” na fangataham-pitahiana isaky ny zoma.
Mpino silamo avokoa ny 20% ny vahoaka malagasy eto Madagasikara. Azo lazaina fa finoana nisy voalohany indrindra teto Madagasikara io finoana io, izay mifototra amin’ny andry dimy. Ny fanekena an’Andriamanitra tokana ivavahana, ny fanaovana vavaka indimy isan’andro, ny fizarana sakafo na zavatra ho an’ny sahirana, ny fanaovana fifehezana na ilay antsoina hoe “Ramadan”, indray mandeha isan-taona, ary ny fanaovana fivahiniana masina any Arabia Saodita.

Mino

Partager sur: