Nifarana omaly, teny Anosy, ny fivorian’ny Filankevitry ny minisitra andiany faha-33 amin’ireo firenena 28 mpikambana ao amin’ny Africa Rice teo ambany fitarihin’i Madagasikara, izay filohan’ny filankevitra tao anatin’ny roa taona, hatramin’ity taona ity.
Hampiharina ireo tsoa-kevitra taorian’ny fizarana ny tolo-kevitra hanatsarana sy hampiakarana ny voka-bary aty Afrika. Ho an’i Madagasikara manokana, hisy paikady hapetraka hampitomboana ny voka-bary iarahana amin’ny tranoben’ny tantsaha, ireo mpiray ombon’antoka izay hofaritana mandritra ny atrikasa fakan-kevitra, izay hiantsoana ireo mpisehatra amin’ny famokaram-bary. Paikady iraisana no hivoaka ao, araka ny lahatenin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio. Anisan’ny olana horesahina ao anatin’ny atrikasa ny fiovan’ny toetr’andro miteraka fihenan’ny rano ampiasaina amin’ny fambolena. Tsy maintsy hampiasa ny teknika fambolena sy ny masomboly afaka misedra ny fiovan’ny toetr’andro manomboka izao. Zava-dehibe koa ny fikarohana mifototra amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ho an’ny fambolena, anisan’ny nifampizarana tao anatin’ny fivoriana, teto Antananarivo, nandritra ny hateloana izany.
Manaraka tetiandrom-pambolena
Nambaran’ny filohan’ny tranoben’ny tantsaha eto Madagasikara, Razafimbololona Angeline, fa efa nisy ny fikaonandoha nataon’ny tantsaha sy ny mpiray ombon’antoka niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fambolena hampiakarana ny voka-bary sy ny fanitarana eto amin’ny firenena. Tsy nanalavitra ny paikady napetraky ny minisitera ny soso-kevitra nivoaka taorian’ny fivorian’ny minisitra ao amin’ny Africa Rice. Manomboka izao, ho sahy hiroso amin’ny famarotana ny vokatra ny tantsaha satria nodinihina tao amin’ny fivoriana koa izay ary mifameno amin’ny paikadin’ny minisitera mpiahy sy ny tantsaha.
Momba ny fiatrehan’ny tantsaha ny olan’ny tsy fahampian-drano, efa misy tohodrano hanamorana ny fahazoana rano napetraky ny minisitera mpiahy. Efa miara-miasa amin’ny sampana famantarana ny toetry ny andro koa ny tantsaha mpamokatra ahafahana manatanteraka ny tetiandrom-pambolena manaraka ny vanim-potoana sy ny habetsahan’ny rotsakorana vinavinaina.
Vonjy