Ahitana fiakarana misongadina indray ny tahan’ ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo ka mety hankarary ny olona rehetra. Avo enina hatramin’ny valo heny ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray. Ao
anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho ambony hatrany ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo ka mety mankarary ny olona rehetra. Ireo olona marefo dia mety ho tratran’ny olana ara-pahasalamana mafy kokoa.
Nahazo boky avy amin’ny minisitera mpiahy, ao anatin’ny fandaharanasa Projet fonds commun de l’éducation (FCE), vatsian’ny AFD, l’Unicef, sy ny Vondrona eoropeanina ary ny GPE, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Ankoatra ny toeram-pamakiam-boky ao Ambondrona, efa nisitraka koa ny Oniversite hafa. Nampiarahina tamin’ny fanolorana boky koa ny fizarana baolina ho an’ny Oniversite.