Ravinala Airports : fankalazana ny Andron’ny mpandeha

Natokana ho Andro maneran-tany ho an’ny mpandeha fiaramanidina ny 15 novambra. Nankalaza izany, omaly, ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be. Nanome voninahitra ny fotoana ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM), ny minisiteran’ny Fiza­hantany sy ny asa tanana (MTA). Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, i Daniel Lefèbvre, fa miisa
19 ny seranam-piaramanidina frantsay, firenena miteny fran­tsay ary italiana, miaraka man­kalaza ity fotoana ity. Notse­naina tamin’ny fomba miavaka sy manetriketrika ny mpandeha, narahina fety sy lanonana samihafa ary hetsika tsy nampoizina. Nilaza ny lehiben’ny departemanta serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe, Rahantamalala Sandrine, fa anisan’ny hetsika manokana nataon’ny Ravinala Airports sy ireo mpisehatra eny amin’ ny seranan’Ivato ny fitokanana ny fampirantiana torolalana ho an’ny mpandeha (Guide du passager: circuit départ -arrivée). Tanjona ny fampahafantarana azy ireo bebe kokoa ireo sampandraharaha sy ny andraikitry ny mpisehatra isan-karazany eny amin’ny seranam-piaramanidina, izay mifameno avokoa. Eo koa ny ha­hazoan’ izy ireo tsara ny fandaminana sy ny azo atao na tsia mandritra ny fiaingana na ny fahatongavana eny amin’ny seranam-piaramanidina. Haharitra hatramin’ny 31 janoary 2025 ity fampirantiana ity, satria hanampy betsaka ny mpandeha. Ho an’ny omaly, teny Ivato, nisy ny hetsika samihafa, toy ny fampihaingoana manokana ny toerana, ny fanentanana, ny fampihenam-bidy nataon’ ireo toeram-pisakafoana sy ny toeram-pivarotana, ao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena sy eto an-toe­rana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: