Semaine mondiale de l’entreprenariat (GEW): Tosika ho an’ny fandraharahana

Mbola mila tosika ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ary entanina hirona amin’izany ny tanora sy ny mpianatra. Fotoana iresahana ireo tantsoroka sy tohana ary torolalana tokony hodiavina ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew)

Tanterahana ny 18 ka ha­tramin’ny 23 novambra ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew). Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe « Ankalazao ny fandraharahana ». « Misy ny resaka izay mifantoka manokana amin’ilay mpandraha­raha sy ny asa atao amin’ny alalan’ireo tohana omena azy », hoy ny solontenan’ny Onudi, Rakotomiaranjato Manou. Ho resahana ihany koa ireo fototry ny asa rehetra ary ny tohana hanatanterahana ny tetikasa.
Ankoatra izay, mbola mala­laka ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara saingy ny hanombohana izany mazàna ny olan’ny tanora. Hanome torolalana sy ireo sehatra azo handraharahana ireo mpiara-miombon’antoka mpikararaka ny hetsika. « Misy ihany koa ny tohana isan-karazany mba hahafahana mamaritra ny hanombohana ny tetikasa », hoy Ralay Maya.

Fifanakalozana

Ankalazaina maneran-tany ny “Gew”. Tanjona ny ham­piroboroboana ny fandraharahana sy ny fanavaozana amin’ ny alalan’ireo fifanakalozan’ireo mpisehatra samihafa. Ho an’i Madagasikara manokana, ilaina ny mamboly ny toe-tsaina tia mandraharaha sy ny fa­hombiazana azo avy aminy ho fampandrosoana ny toeka­rana eto an-toerana. Fotoana iray hampivondronana ireo mpiantsehatra rehetra ny “Gew”, hanamafisana ny rohivoarin’ ny fandraharahana eto amin­tsika. Hisy ny hetsika atao amina tanàn-dehibe miisa 11 manerana ny Nosy.
Marihina fa miara-misalahy mikarakara ny “Gew 2024” ny Global Entrepreneurship Net­work (Gen), ny minisite­ran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), ny mi­nisteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa toa ny Vondrona eoropeanina.

Henintsoa Hani

Partager sur: