Araka ny vaovao voaray omaly, nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny famaranan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Cosfa Miaramila sy ny CFFA Andoharanofotsy no hanao famaranana sy hiady ilay lelavola 20 tapitrisa Ariary amin’izany.
Hiatrika ny lalao farany amin’ity ady tapakila hiatrehana ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc ity, ny Barea de Madagascar, ny alatsinainy ho avy io, any Maroc ihany. Tsiahivina fa hifandona amin’i Comores izy ireo. I Gilles Hugon, no mpanazatran’ny Barea amin’izany rehefa nametra-pialana ny Coach Rôrô.
Nifarana omaly ny fandraisana anjaran’i Madagasikara tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu Breziliana, natao tany Abu Dhabi. Resy avokoa ireo atleta malagasy 3 nifaninana teo amin’ny sokajy “pro”. Nijanona ho volamena 2 sy alimo 1, araka izany, no azon’i Madagasikara.
Hizara telo ny sokajy amin’ny fifaninanana “Muay Thaï Tournament”, hatao eny amin’ny Henri Fraise Ankorondrano, ny 23 novambra izao. Hisy ny ady eo amin’ny “Main Évent”, ny ady ho an’ny sokajy vehivavy ary ny ady eo amin’ny sokajy lehilahy. Manodidina ny 25 eo ny ady hitranga eny an-toerana.