TARATRY ny KANTO

“Ndao!”, iarahana amin’i Tovo J’Hay sy i Nate Tex. Anio ilay fotoana nomen’ireto mpanakanto ireto, iarahany an-tsehatra etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Seho mirindra no tanjona, satria hanaraka lohahevitra ireo hira alahatra, ka araka izay koa ny fiakarana an-tsehatra ifandimbiasana na iarahan’izy mirahalahy. Samy eny an-tsehatra avokoa ny mpitendrin’ny roa tonta.
Manatevina hatrany ny andraikitra tanterahiny amin’ny fampivelarana sy fampitiavana ny kolontsaina sy ny zavakanto ny Zanabaliha. Fantatra fa handalo fiofanana amin’ny dihy malagasy sy ny fomba fisehoana sehatra izy ireo, atsy ho atsy. Kendrena amin’izany ny hananan’ny mpikambana tsirairay fahaiza-manao matanjaka eo amin’ireo taranja roa ireo.
Anio ilay “B Live Seho”, iarahana amin’i Bolo sy i Mashmanjaka. Etsy amin’ny PK OO Soarano no hizara ny kantony izy ireto izay samy mitondra rivo-baovao ho an’ny mozika ankehitriny. Hanomboka amin’ny 3 ora ny seho, ka samy handahatra ny sanganasany izy roa lahy. Tsy maintsy hisy koa ny fampiaraham-peo, na ilay “Ovni”, efa niarahan’i Bolo sy i Mashmanjaka namoaka ihany aza.
Tanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny Ste Famille Mahamasina, rahampitso tolakandro ny “Novemberock”, andiany faha-12. Fampisehoana andraisan’ny tarika Aiky sy Rheg the Gang ary Harfanah anjara. Anisan’ny andrasan’ny maro mandritra ity fampisehoana ity ilay hira “Jiramaty”, izay an’ny Rheg the Gang.

Partager sur: