“The Black Harvest Film Festival” : nisongadina ny horonantsarin’ i Luck Razanajaona

Mivelatra ary mambabo ny mpahay sy mpankafy horonantsary hatrany ny “Disco Afrika: une Histoire Malagasy” amin’ ireo toerana lalovany. Ankoatra ny lafiny teknika, anisan’ny mambabo ny mpijery ny vontoatin’ny horonantsary.

Norombahin’i Luck Raza­najaona ny « Honorable mention Prize » nandritra ny “The Black Harvest Film Festival” tanterahina any Chicago, Etazonia. Nanom­boka ny 8 novambra teo ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 21 novambra izany hetsika izany. Ity amboara ity izay natolotry ny mpikarakara ho an’ny horonantsary voasokajy ho miavaka, taorian’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Anisan’ny nahavoafidy ny “Disco Afrika: une Histoire Malagasy” ny fanehoany ny zava-misy iainan’ny Malagasy sy ny tsangan-kevitra Afrika­nisma ao anaty tantara, izay mifandray amin’ny foto-kevitra hijoroan’ny hetsika.
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Luck Razana­jaona, amin’ny alalan’ny horonantsariny “Disco Afrika: une Histoire Malagasy”. Raha tsiahivina, vao ny alarobia teo ity horonantsary ity no nahazo ny amboara “Best African Fea­ture Film” nandritra ny “The 2024 Mashariki African Film Festival” natao tany Rwanda. Roa andro aty aorina, araka izany, dia nandrombaka ity amboara mandritra ny “The Black Harvest Film Festival” izy. Hetsika fanao isan-taona ny “The Black Harvest Film Festival” ary miditra amin’ny andiany faha-30 izy amin’ity taona ity. Ireo mpanatontosa horonantsary Afrikanina sy Amerikanina voasokajy ho mainty hoditra no mandray anjara ao anatin’izany. Tan­jon’ny hetsika ny hanomezana sehatra ireo mpanatontosa sy ny hanasongadinana ny horonantsary novokariny.

Mitantara ny Malagasy
Anisan’ireo horonantsary miavaka ity “Disco Afrika: une Histoire Malagasy” ity na eo amin’ny lafiny teknika na eo amin’ny vontoatiny. Ny tsy fisian’asa, ny tsy fandriampahalemana, ny hambom-po te hitroatra eo amin’ny Malagasy nefa tsy afa-manoatra no tantarain’ny tantara. Toe-javatra izay iainan’ny mainty hoditra, indrindra ny Afrikanina, rehetra.

Lin

Partager sur: