Mbola maizimaizina be ihany ny tabilao ny amin’ny famahana tanteraka ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano? Eny, na tsy takona afenina aza ny ezaky ny tomponandraiki-panjakana isan-tsehatra amin’ny famahana olana. Vahaolana no ilaina fa tsy ny fampitsaharana na fampanginana ny fitarainan’ny vahoaka ny amin’izany. Zaza tsy mitomany tsy mahazo nono? Laingalainga, misy ny manararaotra ny toe-draharaha amin’ny fanakorontanana, fanosoram-potaka ny fitondram-panjakana ho tsy mahavaha olana… Misy aza ny mitetika izany ho amin’ny fanonganam-panjakana, sanatria.
Izay hatrany ny fomba fiadin’ny sasany hatramin’izay? Indrindra amin’ny fomba fanaovana politika… Izay lazaina sy atao rehetra dia hoe misy na asiana ambadika politika mandrakariva? Eny, izay fahasahiranam-bahoaka noho ny tsy fahatomombanan’ny famatsian-jiro sy rano toy izao aza. Izay no anisan’ny mahatonga ny vahoaka mangina sy tsy mihetsika firy amin’izay maharary azy? Lazaina fa hendry, mahari-pery, mahalala ny ataony… Hararaotina mandrakariva? Na mihetsika na tsia, na mampiaka-peo na tsia… Mora ny mamadika izany ho misy antony sy vokany politika?
Fiteny ny hoe mahatsinjo mialoha izay mety hitranga ny mitondra. Koa anjaran’ny mpitondra ny misoroka mialoha izay mety ho olana amin’ny fiainam-bahoaka isan’andro mandavantaona. Tena fisorohana mialoha sy famahana olana no atao, fa tsy fampanginana azy tsy hiteny sy tsy hihetsika. Mby aiza? Vahaolana ifotony… Sao izay tsy mahavaha olana no lasa olana, ka hararaotin’ny sasany. Nefa fantatra sy mazava izao fa tsy hampandeha ny jiro sy ny rano, ohatra, ny korontana. Politika maloto fotsiny izao? Ady fiady mila handresena… Ny ela, manova zavatra. Na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy…
R. Nd.