Vanim-potoan’ny fahavaratra : ampy ny tahirim-bary eto Madagasikara

« Tsy misy atahorana ny tahirim-bary idirantsika anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra », hoy ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Misy, hoy izy, ny dingana atao mba hahafahana mifehy sy mandrindra ny vidiny, hifampitsinjovan’ireo mpisehatra. Mbola mitohy ny fanarafarana ny vokatra ary mbola mitohy ny ezaka amin’ny fandrindrana ny vidin’entana hafa. Tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra farany teo fa hanafatra vary milanja 15 000 taonina avy any Pakistan ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM). « Andraikitry ny fanjakana kosa ny manaparitaka izany amin’ireo toerana sahirana », hoy hatrany ny minisitra.
Ankoatra izay, miara-misalahy amin’ny minisitera hafa ny MIC hitadiavam-bahaolana handrindrana ny vidin’entana. Noho izany, arahi-maso avokoa ny famatsiana ireo vokatra hafa izay mifandraika amin’ny olan’ny fitaterana sy ny hara­tsian-dalana.
Marihina fa manaraka akaiky ny lalan’ny fitsinjarana (circuit de distribution) ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny MIC. Manentana ireo mpivarotra ihany koa ireo kaomisera mba hitsinjo ny mpiara-belona fa tsy hanararaotra sy hampiakatra tsy ara-drariny ny vidin’entana.

Henintsoa H.

Partager sur: