Vavatenina : taolam-paty hita tao anaty gony

Milanja 4 kg ny fitambaran’ ireo taolam-paty nisy nahita tao amin’ny fokontany Ambo­di­vato II, kaominina ambanivohitr’i Tanamarina, distrikan’i Vavatenina, omaly tolakandro. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ambodivato ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Vavatenina momba ny fisian’ireto taolam-paty hita tao amin’ny toerana antsoina hoe Papaimena, 400 metatra atsimo atsinanan’ny tanànan’i Sahave II. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 Tanamarina ka voamarina tokoa ny fisian’ ny kitapo misy taolam-paty. Nandritra ny fitsirihana nataon’ ny zandary sy ny dokotera no nahitana fa kitapo miloko mavo misy taolam-paty milanja 4 kg no hitan’izy ireo. Taolan-dava sy taolam-pohy no hita tao anatin’io kitapo io. Taorian’ny fizahana nataon’ny zandary sy ny dokotera, nomena ny fokonolona sy ny Tangala­mena ireto taolam-paty ireto. Niroso tamin’ny fandevenana ny taolana tao Analaratsy, fokontany Ambohidivato II, izy ireo. Tsy mbola fantatra aloha hatreto ny fasana nakana ireto taolam-paty ireto. Tsy nandrenesana vaky fasana rahateo teo anivon’ny fokontany raha ny fanazavana voaray avy amin’ny sefo fokontany. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.

Jean Claude

Partager sur: