Hiasa any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ny tetikasa vaovao “Vikina sy Harea”. Vola mitentina 22 tapitrisa dolara no hanatanterahana izany. Hiatrehana ny fihariana ara-tsakafo ho an’ireo mponina marefo no tanjona.
Hanatanteraka tetikasa roa mifantoka amin’ny fahaizana miatrika ambana sy ny fiahiana ara-tsakafo eto Madagasikara ny USAID.
Io no nambaran’ny lefitry ny mpandrindra ny USAID misahana an’i Afrika, i Detherage P. Maria, omaly, rehefa nihaona tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Mitentina 22 100 000 dolara ireo tetikasa ireo.
« Vikina sy Harea » no anaran’ireo tetikasa ireo, izay hanampiana tokantrano miisa 88 000 any atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara. Tanjona ny hahafahana hiatrika ireo ambana sy hanatsarana ny fiahiana ara-tsakafony.
Fiaraha-miasan’ny fikambanana eto an-toerana sy avy any ivelany, tarihin’ny Cultivating New Frontiers in Agriculture (CNFA) no hanatanteraka ny tetikasa « Vikina » any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Handrakotra an’i Farafangana sy Vangaindrano.
Ny tetikasa « Harea » indray dia hiasa any Amboasary Atsimo, Ambovombe, Antanimora Atsimo, Tsihombe ary Beloha, ka ny Catholic Relief Services (CRS) no mitarika ny vondrona hanatanteraka izany.
Tato anatin’ny dimy taona farany, mitentina 787 000 000 dolara ny fanampiana nomen’ny USAID an’i Madagasikara. 253 000 0000 dolara amin’io nampiasaina teo amin’ny sehatry ny fahasalamana ary i Etazonia hatreto no mpamatsy vola lehibe indrindra an’io sehatra io.
Tombanana ho 1 375 000 ireo mponina iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ireo faritra roa ireo mandritra ny vanim-potoanan’ny maitsoahitra amin’ny taona ho avy.
Rehefa mifarana ireo tetikasa ireo amin’ny taona 2029, tokony ho afaka hiatrika ny vokatry ny loza voajanahary noho ny fiovan’ ny toetr’andro ireo tokantrano miisa 88 000 izay nisitraka izany. Hanana anto-pivelomana maharitra kokoa sy tolotra ara-bola tsara kokoa izy ireo.
Tatiana A