Mizotra tsara ny fanamboarana ny kianja basikety AT2B eny Andraisoro. Miroso miandalana ny asa fanajariana. Etsy ankilany, miroso ihany koa ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B. Araka ny fandaminana, eny amin’ny kianja indramina eny Nanisana sy eny Amboditsiry aloha hatreto no mandray ny lalao mandra-pahavita ny asa fanajariana ny kianjan’Andraisoro. Tsiahivina fa tafiditra anatin’ny ezaka ho an’ny faha-15 taonan’ny AT2B izao asa fanamboarana izao.
Nohamafisin’ny mpikarakara hatrany fa miverina mandray lalao avy hatrany ny Kianjan’Andraisoro vantany vao vita ny asa fanamboarana. Raha hiverenana ny lalao, niato kely ny fifaninanana ary nanomboka niverina tamin’ny laoniny, ny 9 novambra teo. Efa hanomboka hiditra amin’ny dingana farany ihany koa.
Mi.Raz