Notokanana ny sabotsy teo, ny fanavaozana sy fanitarana ny Fiangonana protestanta vaovao eto Madagasikara (FPVM) Mpanarato Tsarahonenana Andraisoro. Notokanana ihany koa ny alitara izay natao ho fahatsiarovana ny faha-15 taonan’ny fiangonana tamin’ny alalan’ny fanokanana ny tsangambato na dia efa 17 taona aza ny nijoroan’ny fiangonana. Ahitana rihana telo ny trano fiangonana, ka natambatra ny rihana faharoa sy fahatelo mba hahafahan’ny olona miara-manatrika ny fotoam-pivavahana amin’ny fotoana rehetra. Mahazaka mpivavaka 5 000 isa eo ity trano fivavahana eny an-toerana ity.
15 taona ny asa fananganana
Naharitra 15 taona mahery kely teo ny fananganana ny fiangonana, izay nanomboka ny taona 2007 ny fanaovana ny vato fototra, raha ny fanazavana hatrany. “Tamin’ny andro nisian’ny fikatonan’ny fiangonana ireny dia tsy maintsy nanao vondrom-bavaka izahay”, hoy ny toniam-piangonana, Nirinason Raymond. Nisy olona tsara sitrapo nanome toerana ho anay hanaovana toeram-pivavahana, ary nananganana trano hazo kely tamin’ny taona 2005. “Niezaka sy niara-nientana ny mpino rehetra sy ny fiangonana fa hoamboarina ny tranon’Andriamanitra ary vita tanteraka izany ankehitriny”, hoy hatrany izy. “Manodidina ny 200 mahery kely eo ny isan’ny fitandremana eto amin’ny faritra Analamanga”, hoy kosa ny Pasitera Iraka Andriantsotahiana, mpitandrina eo anivon’ny fiangonana.
Mino