FANTINA sy FINTINA

Mpiandraikitra sora-piankohonana miisa 26 avy amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra no nahazo fiofanana mahakasika ny fikirakirana ny sora-piankohonana. Tao anatin’izany no nanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo mba hanamorana ny fisitrahan’ny vahoaka izany.
Hanomboka amin’ny fomba ofisialy rahampitso hatramin’ny 9 desambra 2024, ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Ao anatin’izany no handresen’ireo mpilatsaka hofidina lahatra ireo vahoaka hifidy azy amin’ny alalan’ny foto-kevi-pijoroany.
Nolanian’ny Filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny didim-panjakana manova ny andininy sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana mamaritra ny “Code de prévoyance sociale”. Izany dia ho fampiharana ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Repoblika momba ny hampiakarana 25% mifanila amin’ny karama farany ambany ny fisotroan-dronono ho an’ny zokiolona 80 taona no mihoatra. Ho an’ireo mananontena izay mbola miasa kosa dia niakatra 30% ny “pension de veuvage” raisin’izy ireo, raha 50% izany ho an’ireo tsy an’asa.
Anisan’ny andrasan’ny mpanara-baovao ny momba ny zotram-pifidianana amin’ireo renivohi-paritany. Sokajian’ny mpamakafaka politika ho anisan’ny hahamari-pototra na tsia ny fitondram-panjakana mantsy ny ben’ny Tanàna ho lany amin’ireo toerana ireo. Anisan’izany ny eto Antananarivo Renivohitra, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga… Ireo izay ahitana kandidàn’ny fitondrana sy fanoherana milatsaka hofidina.

Partager sur: