Faritra iva : mirongatra ny lagaly eo amin’ny ankizy

Mirongatra ny aretina lagaly na mibontsin-drano amin’ny hoditra ho an’ny ankizy monina eny amin’ny faritra maro eto Antananarivo tato ho ato, raha ny fanadihadiana natao. Nanamafy izany ihany koa ny mpitsabo iray nanontaniana fa efa maro ireo ankizy entin’ny ray aman-dreny manatona mpitsabo voan’izy io. Mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana ny aretina ary tsy fantatra loatra ny tena antony mahatonga azy. “Mitovy amin’ny fisehon’ny aretina lagaly ny aretina amin’ny ankapobeny, ary maro ireo toerana efa ahitana izany, indrindra ny faritra iva”, hoy hatrany ny mpitsabo. Mety ho vokatry ny loto noho ny tsy fahampian-drano eo amin’ny olona ny mety ho antony.
Maro ny fambara sy fiandohan’ny aretina eo amin’ny zaza na ankizy. Mibontsin-drano ny hoditra, mangidihidy, vaky ary miparitaka amin’ny vatana sy hoditra maro izany avy eo. Mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana sy ny fandraisana zavatra sy rivotra maloto ity aretina ity, raha ny fanazavana hatrany. Ny fahadiovana, araka izany, no fanefitra voalohany.

Mino

Partager sur: