Nampihoron-koditra! Maty novonoim-badiny tamin’ny fomba feno habibiana ny renim-pianakaviana iray tao Ambatoharanana, fokontany Tsaratanana, kaominina ambanivohitr’Andrakata, distrikan’Andapa, ny 15 novambra 2024. Nahazo antso avy amin’ny lefitry ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Andrakatra, ny zandary momba ny fisiana fatim-behivavy hita ao an-tranony ao amin’io tanàna io. Nidina haingana teny an-toerana nahitana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSBII Andrakata. Voamarina tokoa ny fisiana vehivavy hita faty mihosin-dra ao an-tranony. Tao anatin’ny fizahana nataon’ ny dokotera no nahitana fa naratra mafy vokatry ny vono sy daroka nahazo azy izy. Efa tsy nisy aina intsony izy tamin’ ny fotoana nahatongavan’ny zandary sy ny dokotera. Mangana ny vatany manontolo, notsatohana zava-maranitra teo amin’ny lohany, ny sandriny sy ny tanany. Araka ny fanazavan’ireo olona manodidina tamin’ireo zandary nanao fanadihadiana, nanana olana ara-pitiavana sy tokantrano izy roa ireto ka voatery nisaraka. Niditra an-tsokosoko tao an-tranon’ity renim-pianakaviana ity anefa io vadiny io niaraka tamin’ny zava-maranitra ka namono nahafaty azy. Nisy nahita ny fahatongavan’io vadiny teo an-tanàna io saingy tsy nisy nieritreritra fa hamono am-badiny no tena antony nahatongavany. Lasa nitsoaka avy hatrany rehefa nahavita ny asa ratsiny. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera sy ny zandary. Mitohy ny fikarohana ity lehilahy nahavanon-doza ity.
J.C