Notokanana, ny faran’ny herinandro teo, ny lalana Boulevard Ratsimilaho ao Toamasina. Nampanantena ny hanatsara ny fari-piainan’ny Malagasy ny filoha nandritra izany.
“Fantatro fa sahirana ny vahoaka malagasy. Miteny anareo aho: tsy ny hoe filoha akory no mahamaika ahy na ny “titre”, fa hanao ny ezaka rehetra… Ary tsy maintsy mihatsara ny fari-piainan’ny Malagasy. Tsy maintsy resintsika ny fahantrana”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny lanonana fitokanana ny fahavitan’ny lalana Boulevard Ratsimilaho izay potiky ny rivodoza tamin’ny 1986 sy 1994, tany Toamasina, afakomaly.
“Raha tianareo mbola handroso i Toamasina, zavatra tsotra no lazaiko aminareo: izay fankahalana lazaina amintsika, hovalintsika fitiavana. Isika manana fitiavana; ny hafa, manana fankahalana. Mikasa handrava ny zavatra ataony, fa isika hanorina. Isika manangana, ary indrindra tsy mandrodana”, hoy izy. Misy olona manakivy ny tena, aza manaiky ho kivy izany. Misy olona manaratsy ny tena, aza manaiky haratsiana izany. Misy olona mamingana ny tena, ialao fa mandroso hatrany isika.
“Izay fahavalo misakana ny asantsika, tsy mahavanona sy tsy mahavita izy ireny. Manam-pinoana isika. Raha nanao an’itony lalana itony isika, manam-pinoana. Hanao ny lalambe migodana isika, manam-pinoana. Hanova an’i Madagasikara isika, manam-pinoana”, hoy ihany izy. Izay atomboka tsy maintsy vitaina. Izay atomboka, tsy maintsy tokanana. Ny lalambe migodana, Antananarivo Toamasina, 80 Km amin’ny 260 Km tsy maintsy vitaina amin’ny desambra amin’ny herintaona.
Notokanana ary natolotry ny filoha mivady ho an’ny vahoakan’i Toamasina, omaly, kosa ny kianja mitafo Arena sport. Teo koa ny fanombohana ny fanamboarana ny lalana relaxe izay mirefy 18 Km, mampitohy an’Andranomadio sy Mangarano Ambalamanasy.
R. Nd.