Nijery ireo fotodrafitrasa tafiditra amin’ireo tetikasan’ny filohan’ny Repoblika ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo. Anton’izao fitsidihana izao ny fanaraha-maso ireo fotodrafitrasa, toy ny trano fatoriana natao hahazaka mpianatra 320. Anisan’ireo Oniversite tsara indrindra eto Madagasikara ny ao Fianarantsoa.
Any amin’ny 2 000 km mahery miala amin’ny morontsirak’i Madagasikara no misy ny foiben’ilay rivodoza Bheki. Nitombo hery izy ka sokajiana ho “cyclone tropical intense “. Tsy misy fiatraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara izy ato anatin’ny telo andro ho avy fa kosa arahi-maso hatrany, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly.
Ankoatra ny fanatanterahana fanazarantena hiatrehana ny rivodoza sy ny fametrahana ny drafitra iatrehana ny loza, fiomanana koa ny fametrahana mialoha ireo zavatra ilain’ny mponina rehefa misy loza ary azo ampiasaina avy hatrany. Efa voapetraka ao Mahajanga ny entana hahafahana manampy fianakaviana 350. Efa tafiditra ao anaty magazay koa ny ao Antalaha, misy entana milanja 11 taonina sy 200 kg, an’ny faritra Sava.
Nitsidika ny tale jeneralin’ny Apipa ny Banky iraisam-pirenena misahana ny rano, izay mijery manokana ny sehatra mahakasika ny rano. Tsy ny fanalana fako ihany no andraikitry ny Apipa fa ny fitantanana ny rano eny anivon’ny lakandrano lehibe sy ny fiarovana ny lemak’Antananarivo. Nitodika amin’ny fiomanana ny amin’ny fiavian’ny orana ny dinika teo amin’ny roa tonta.