Notanana atao andrimaso sy fanadihadiana lalina eny anivon’ny sampandraharaha ny polisy misahana ny heloka bevava, ny zoma 15 novambra teo. Namono nahafaty ny sakaizany tamin’ ny alalan’ny tsatok’antsy tao Toliara ny polisy iray mpiana-draharaha, ny 15 oktobra lasa teo. Nandritra ny fifamaliana teo aminy sy ny sakaizany, nidiny ny trano ka novonoiny ilay vehivavy. Nitsambikina nandositra teo am-baravarankely izy. Tsy hita popoka, nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ny lasibatra. Nandositra niakatra teto an-dRenivohitra anefa ilay nahavanon-doza. Naharay loharanom-baovao mari-pototra ny polisy. Nanao vela-pandrika maty paika ka voasambotra ilay polisy mpiana-draharaha nahavanon-doza. Nentiny natao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana izy.
Tsiferana R.