Hotanterahina ny 24 novambra izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny “chapitre 4” amin’ny fifaninanana “Combat Avenir”, taranja kick boxing. Fifaninanana karakarain’ny Lion Force, tanterahina isan-taona. Taranja 3 no hifaninana amin’ity hetsika ity, ahitana ny full Contact, low kick ary ny K1. Araka ny fandaharam-potoana, ady 50 hatramin’ny 60 eo no hitranga mandritra ny “Combat Avenir”, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Lion Force, Maitre Boto Gilbert, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Mon Goûter Andrefanambohijanahary. Hisy tatami miaraka amin’ny ringa, amin’io fotoana io, ary ho maro ny mpikatroka avy any amin’ny faritra, raha ny fanazavana hatrany. Nohamafisin’ ny mpikarakara fa hampiakarina hatrany ny lentan’ny fifaninanana ary hivoatra izany manomboka ny taona 2025. “Hatao ady iraisam-pirenena, izay hanasana mpikatroka avy any ivelany, ny Chapitre 5 amin’ny taona 2025”, hoy hatrany ny nambaran’ny Maitre Boto Gilbert.
Tsiahivina, nigadona teto an-tanindrazana, ny herinandro lasa teo, ireo Malagasy mpikatroka roa lahy nahazo fandresena nandritra ny fifaninanana “Jungle War”, izay natao tany Afrika Atsimo. Efa manoman-tena mafy ihany koa ireo atleta malagasy 7 mianadahy hiatrika ny ady any La Réunion, ny 14 desambra izao.
Mi.Raz