« Voavaha tanteraka ireo olan’ny Magacscar Airlines izay niantraika tamin’ny sidina anatiny nataony ny herinandro teo », hoy ny fanambarana nataon’ny kaompania. Niato tamin’ny asany avokoa ireo fiaramanidina miisa telo ka nahatonga fikorontanana teo amin’ny sidina. Noho izany, nitondra vahaolana vonjimaika ireo tomponandraikitra. “Niverina amin’ny laoniny nanomboka ny sabotsy teo ny toe-draharaha ka tsy misy intsony ireo mpandeha tavela eny amin’ny seranam-piaramanidina”, hoy hatrany ny fanazavany.
Nohamafisiny fa manao ny ezaka rehetra ny ekipa hisorohana ny tranga teo aloha. Vaindohan-draharahan’ny kaompania ny itazomany ny fenitra sy ny fiarovana ny mpandeha ary ny kalitaon’ny tolotra omeny. Marihina fa nitondra ny fialantsiny tamin’ny zava-niseho ny orinasa ary nilaza fa mitohy hatrany ny drafi-panarenana efa natomboka, toy ny fanamafisana ny sidina anatiny ataony. Tsiahivina fa niteraka resabe teo anivon’ny fiarahamonina ny zava-nisy tamin’ny herinandro teo.
Henintsoa H.