Ravan’ny zandary ny tambajotra mpandefa olona antsokosoko mankany Chine. Notanana vonjimaika any am-ponja ireo voasaringotra.
Efatra mianadahy voasaringotra amin’ny raharaha fanondranan’olona mihazo an’i Sina niara-voatana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny zoma 15 novambra teo. Naharay hafatra miafina avy tamina olona any Sina nilaza ny fisiana tambajotra matanjaka mivarotr’ olona an-kolaka ny zandarimaria. “Alefa any Sina ireo vehivavy tanora ary hampanambadiana lehilahy any an-toerana”, hoy ny fanazavana voaray anivon’ny zandarimaria. Nanokatra fanadihadiana, nifanindry an-dalana tamin’ izany, ny fisiana fitoriana miisa roa nataona vehivavy roa samy hafa. Olona iray ihany no tompon’antoka tamin’ny fisolokiana azy ireo. Nampanantenain’ny tomponandraikitra eo anivon’ ilay tambajotra izy roa vavy. Tokony ho niainga tamin’io herinandro lasa teo io izy ireo, araka ny fifanarahana. Tsy hita popoka anefa ireo tomponandraikitra tamin’ny fotoana nifanomezana.
Voasambotra
Nanao fikarohana, voasambotry ny zandary ny olona mpiray tsikombakomba anatin’io tambajotra io. Vehivavy mpandresy lahatra sy maka ny vola eny amin’ireo lasibatra ny roa. Mpampifandray mivantana amin’ilay ekipany any Sina momba ity fanondranana olona antsokosoko ity ny vehivavy iray hafa. Tratra niaraka tamin’ity farany koa ny vadiny izay anisan’ny manampy azy ireo amin’ny fanamorana ny antontan-taratasy ahafahan’ireo vehivavy mandeha. Ankoatr’ireo, karohin’ny mpitandro filaminana ary efa namoahana didy fisamboroana ny vehivavy miisa efatra mpiray tsikombakomba amin’ireo efa sarona.
Tsiferana R.