« Our Generation » 2024: nibata ny amboara i Filamatra Matokia

Tamin’ny alalan’ny tambatr’isa nomen’ireo olona mpana­raka na mpijery (voting public) ilay fifaninanan-kira « Our Gene­ration » no nibatan’i Filamatra Matokia ny amboara, tany Kazan, any Rosia, ny faran’ny herinandro teo. Ilay hirany nampitondraina ny lohateny « Iray » no nohirain’ity solontenan’i Mada­gasi­kara ity teo anoloan’ny mpijery marobe sy ny mpitsara. « Nandresy aho! Nandresy niaraka tamin’ny Malagasy rehetra », hoy izy. I Augusto Carvalho, solontenan’i Brezila kosa no na­hazo ny amboara teo amin’ny fitsarana avy amin’ny mpitsara.
Raha tsiahivina, fifaninanan-kira ho an’ny ankizy 9 ka ha­tramin’ny 16 taona ny « Our Generation ». Ho an’ity taona 2024 ity, ankizy avy amina firenena 15 no nandray anjara. I Fila­matra Matokia no zandriny indrindra tamin’izy ireo. Fantatra fa zanaka faravavin’i Stan sy Nanah ity ho andrarezin’ny hira malagasy atsy ho atsy ity!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: