“Run AMA Final Round »: Hafana ny fifanandrinan’i Bobo sy i Jaytaxx

Hotanterahina eny amin’ny Base 213 Arivonimamo, ny 1 desambra ho avy izao, ny dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja fiarakodia mandeha amin’ny halaviran-dalana 400 metatra, « Run Ama Final Round ». Hafana tanteraka ity fifanintsanana ity, hiady izay ho lohany i Herizo Boarilaza na i Bobo sy Rasolojaona Tahiana na i Jaytaxx.
Raha ny fanazavana azo, ny zoma teo, teny Ivandry, mitarika amin’ity fifaninanana ity izao i Bobo, manana isa 92, taorian’ny dingana efatra efa vita. Faharoa manaraka azy ao kosa i Jaytaxx, mitana isa 71. Ankoatra izay, andrasana amin’io fotoana io ihany koa ny mpanamory hahavita 8 segondra amin’ny Run 400 m.
Nilaza ny filohan’ny klioba Antananarivo Moto Auto (Ama), mpikarakara, Ranaivo Rindra, fa hampiavaka ity hetsika ity ny fisian’ny fahitalavitra lehibe na ny « écran géant » amin’ny toerana natokana hikarakarana ny fiara sy eo am-piangana ary ny eny amin’ny 200 m. Tsara ny mampahafantatra fa hizara toy izao ny sokajin-dalao eny an-toerana, misy ny Pro Run, ny Super Run ary ny Run.
Ny 28 novambra ho avy io, ny fara-fisoratana anarana amin’ity fifaninanam-pirenena ity. Tsiahivina fa efa 15 taona izay ny nitsanganan’ny klioba Ama, ary efa feno folo taona amin’ity no nikarakaran’izy ireo ny dingana faran’ny Run Mada.

Fitia Randria

Partager sur: