Sombim-baovao

Tsara fanombohana ny solontena malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Échecs, sokajy Cadet, any Italie. Nandresy an’i Kany Elsie Joyce, teratany kenianina, i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra, tamin’ny lalao voalohany, teo amin’ny sokajy U12.
Lany ho filohan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny taranja volley-ball, i Fabio Azevedo, ny sabotsy 16 novambra teo, tany Porto Portugal. Teratany Breziliana izy ary nitana andraikitra maro teo anivon’ny FIVB. Niatrika ity kongresy faha-39 ity, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny volley, Raharimalala Léa.
Tontosa ny sabotsy 16 novambra teo ny fivoariambe ho an’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball, izay notanterahina teny amin’ny ANS (Académie nationale du sport) Ampefiloha. Fotoana nanaovana tatitra sy tombana ary fintina ny taom-pikatrohana 2024 ho an’ny ligy ity fivoriambe fanao isan-taona ity.

Partager sur: