Tambohobe – « Festisôva » 7 : « Tafita ny hafatra », hoy Randrianarivelo Hasina

« Ady amin’ny herisetra sy zava-mahadomelina ». Lohahevitra nosafidian’ny fikambanana Tambohobe novoizina nandritra ny hetsika « Festisôva » andiany faha-7. Nilaza ny vokatra Randrianarivelo Hasina, filohan’ny fikamba­nana…

«Efa nisy ny andiany enina teo aloha. Tontosa ny andiany faha-7. Naparitaka sy novela­rina bebe kokoa ny fampahafantarana ny hetsika Festisôva sy ny lohahevitra Ady amin’ny herisetra sy zavamahdome­lina. Nahatafita hafatra ny Tam­bohobe ». Io no nambaran-dRandrianarivelo hasina, filohan’ny fikambanana Tanora mbola ho beazina na Tambo­hobe, omaly, nandritra ny famaranana ny « Festisôva » andiany faha-7, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina. Nahatratra 11 ny isan’ireo ta­rika mpiangaly ny sôva. Fa­nen­tanana nataon’ny mpanentana, niampy ny mpiantsa tononkalo avy ao amin’ny Faribolana Sandratra sy mpilalao tantara fandefa any amin’ny Radio… Samy niresaka sy naneho tamin’ny fomba kanto momba ny lohahevitra avokoa izy ireo, hany ka mora tamin’ireo olona marobe tonga teny an-toerana ny nandray ny hafatra.

Hokarakaraina ireo handimby

Hotohizina hatrany ny ezaka efa natao, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Tambo­hobe. « Hirotsaka eo amin’ny fikarakarana ireo taniketsan’ ny sôva izahay, amin’ny taona ho avy. Jerena ireo ankizy sy tanora izay hoavin’ny sôva rahatrizay », hoy hatrany Ran­drianarivelo Hasina. Noma­rihiny tamin’izany, fa kolon­tsaina sy zavakanto mampita hafatra ny sôva, noho izany, mendrika ny ho tsaroana sy ho tiavina hatrany satria afaka hanabeazana ny ankizy sy ny tanora.
Anisan’ireo niara-nifarimbona tamin’ny Tambohobe nanatontosa ny « Festisôva » andiany faha-7 ny Fikamba­nana iarahan’ny rehetra misi­traka (First). Nohamafisin’ny filohany fa « amin’ny maha fa­nabeazana ny sôva, ilaina ny mampahafantatra izany, satria mitondra zava-dehibe ho an’ ny firenena. Afaka mitondra ny hetaheta any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: