Miainga ao amin’ny seranam-tsambon’i Toamasina, androany, ny sambo faharoa hitondra ireo letisia malagasy ho any Eoropa. Maherin’ny 14 500 “palettes” ireo vokatra aondrantsika amin’ity taona ity.
Miisa efatra ny sambo hitatitra ireo vokatra letisia ho any ivelany ho an’ity taom-piotazana 2024-2025 ity. Maherin’ny 14 500 taonina ireo vokatra aondrantsika ho an’ity taona ity, araka ny loharanom-baovao iray. Nambara fa hanainga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, androany, ny sambo faharoa Crown Topaze, izay mitondra ireo vokatra Letisia 2 560 « palettes » na taonina sy 121 kontenera ho any Rosia, raha niainga ny sabotsy teo kosa ny sambo voalohany, Atlantic Cliper, nitondra ny letisia malagasy ho any Eoropa. Nitotaly 5 491 palettes ireo vokatra nentiny ary ahitana kontenera miisa107 izany. Hitatitra vokatra 5 121 t sy kontenera 21 ny sambo fahatelo atao hoe CS Trust. Hitatitra vokatra letisia milanja 1 600 palettes hihazo an’i Eoropa kosa ilay sambo fahefatra, Regard Bay.
Mikirakira sy mibata ary mampiditra ireo vokatra ao anatin’ny sambo ny orinasa SMMC. Nohatsaraina ny fomba fiasany tamin’ity taona ity. « Notohizana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra,, mampiasa ny angovo azo havaozina ihany koa ny orinasa hikirakirana ireo vokatra », hoy ny tomponandraikitry ny orinasa.
Vidiny
1 700Ar ny handraisan’ireo mpandraharaha ny kilaon’ny letisia eny amin’ireo mpamokatra, tamin’ity taona ity, raha toa ka 1 300Ar izany tamin’ny taon-dasa. Marihina fa nisokatra ny tolakandranon’ny 12 novambra teo ny taom-piotazana 2024. Miisa 942 ireo nikarakara taratasy fahazoan-dalana teny amin’ny biraom-panjakana. Tsiahivaina fa nahatratra hatrany amin’ny 54,384 miliara Ar ny vola azo tamin’ny alalan’ireo letisia 16 860,3 taonina naondran’i Madagasikara ny taona 2023, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tsara ny vokatra tamin’ny taon-dasa, izay namidy 3 225,6 Ar ny kilao raha toa ka 2 905,9 Ar izany ny taona 2022 ary 2 845,2 Ar ny tamin’ny taona 2021.
Henintsoa Hani