TARATRY ny KANTO

Tontosa ny sabotsy 16 novambra teo, tao amin’ ny efitrano malalaky ny Havoria Anosy, ilay fampisehoana « Redombe fahatsiarovana » nokarakarain’ny Sehatra Bagasy. mihoatra ny folo ireo tarika nandray anjara tamin’ ity: Solika, Ndriana Ramamonjy, R’Imbosa, Lala Doris, Ny Angola Itokiana, Tsi’Ahy, Ny Antsa Mikalo, Karoka Dinar­son, Kolibera ary ny fianakavian’ireo mpamoron-kira efa nodimandry.

Nomarihina tamin’ny fitokanana ny orimbaton’ ny faha-60 taona, teny Talatamaty, ny hetsika notanterahin’ ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), ny 16 novambra teo. Nisalahy tamin’izany ireo sampana 6 (Andrefan’Iarivo, Antehiroka, Ambohitriman­jaka Atsimon’Ikopa, Odeam Ambohidratrimo, Mahitsy Moriandro ary Soavelan’Imamo amoron’Ikopa) mandrafitra ny « Samima » vondrona D ao amin’ny faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo.

Fanehoana talenta. Natomboka ny sabotsy teo, teny Ankatso, Craam, ny hetsika fampirantiana sary hosodoko nataon’i Hagani Sainana, fantatra amin’ny anarana hoe: Rahaganisainana Manantsoa. Nampitondraina ny lohateny “Tsirika”. Naseho, nandritra izany, ny fananany talenta maro, toy ny fandokoana, fanaovana sary ary ny fakana sary. Azon’ny rehetra atao ny mitsidika izany, izay haharitra hatramin’ny 22 novambra izao.

Vanim-potoan’ny hiragasy. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Kianja Rochel Rasa­mimanana Ampefiloha izany, rehefa nijanona fotoana maha­ritra. Nifanandrina, nandritra izany, ny tarika Ravaloma­nana Fenoarivo sy ry Fredy Kely Imerintsiatosika. Marihina fa notokanana tamin’ny 30 jolay 2023 io kianja io. Misy ny fikasana hanitatra ity toerana ity ankehitriny mba hahazaka mpijery maro.

Partager sur: