Tarika ‘Zay : eo sy mijoro hatrany ireo mpankafy

Tsy miala fa mbola eo sy mijoro hatrany ireo mpankafy ny tarika ‘Zay na dia teo aza ny fahalasanan’i Nary. Nopo­ro­foin’ny mpankafy izany satria feno hipoka ny Kianjan’ny fanatanjahantena sy ny kolon­tsaina Mahamasina nandritra ny fampisehoana lehibe na­taon’ny tarika, omaly. Nampi­ton­draina ny lohateny hoe: «Samy te…» ny fampisehoana. Hira navoakan’ny tarika talohan’ny farany ao anatin’ny album « tsy voavaliko » izy io. Ao anatin’ny famokarana io rakintsary io ny tarika sy ny mpikarakara amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana voaray.
“Lany mialoha ny fotoana ireo tapakila namidy rehetra ho an’ity fampisehoana ity”, hoy ny tomponandraikitra sy mpikarakara ny hetsika. Nalaina nisaraka ny mpankafy sy ny tarika, naharitra adiny telo teo ho eo ny fampisehoana, nanom­boka tamin’ny telo ora sy 28 minitra. Manodidina ny 40 teo ireo hira nataon’ny tarika teny ambony sehatra nandritra izany. Nitondrana ireo hira nahazatra ny mpankafy sy ireo hira tsy tontan’ny ela. Maro ny hira tsy afaka am-bava, toy ny “Ekeko tsotra izao”, “Hatramin’ izao”, “Anontanio azy”, “Re­hefa any”, sy ny maro hafa. Nam­piavaka ny seho ny fiaraha-mihiran’i Malala ‘Zay sy ireo mpanakanto hafa, toa an-dry Mirado, Nate tex, Tax ary i Toky avy amin’ny tarika Mage 4. Niarahana nihira tamin’ny Toky, lead ny tarika mage 4, ny hira mitondra ny lohateny hoe: “Tsy ho voavaly ».

Mino

Partager sur: