Vinavinaina hanomboka amin’ity herinandro ity ny asa fanamboarana ireo lavadrano (forage) miisa 35 eto Antananarivo. Hatao eto an-dRenivohitra ny 7 amin’ireo lavadrano, raha miisa 14 ho an’Antananarivo Atsimondrano, 7 ho an’Avaradrano ary 7 ao Ambohidratrimo. Hamokatra rano 700m3 isan’andro ireo lavadrano ireo ka miisa 24 500 ireo hisitraka izany. Marihina fa mitentina 4 995 019 000 Ar ny teti-bidin’ny asa.
Hahatratra 70% ny tahan’ny vahoaka hisitraka herinaratra eto Madagasikara, ny taona 2030. Hifanome tanana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hanatanterahana ny vina. Hisy ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Laharam-pahamehana ny hampiroboroboana ny famatsiana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina amin’ ny tontolo ambanivohitra.
Mampiasa arina fandrehitra ny 80% ny tokantrano malagasy. Vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny famadihana ny fako ho lasa angovo nandritra ny atrikasa “MatchMaking Event National”, ny herinandro teo. Nifanakalo hevitra sy traikefa ireo mpisehatra sy matihanina. Tarigetra ny hametrahana drafitra matipaika sy fampivelarana ny fifandraisana eo amin’ny mpisehatra sy ireo mpiara-miombon’antoka.